Etats-Unis : Nangataka famotsorana i Jason Symonds, nanolana zaza tsy ampy taona
Voaheloka higadra mandrapahafaty noho ny fanolanana an’i Nicole VanNoty, 5 taona, i Jason Symonds no. Tamin’ny taona 1994 no niseho ny tranga ary 16 taona io lehilahy io tamin’ny fotoana nisehoan’ny izany. Naman’ny zanaky ny renikeliny kosa io zazavavy niharan’ny fanolanana io.
Tsy nijanonana tamin’ny fanolanana nefa i Jason Symonds fa vita ny filan-dratsiny dia novonoiny ilay zazavavy, ary nataony tao anaty harona fasiana fako ary naleviny tao amin’ny trano foana iray. Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra mandrapahafaty tao amin’ny fitsarana tao Michigan i Jason Symonds ny taona 1995.
29 taona izao no sazy voahefan’i Jason Symonds efa 45 taona. Nangataka famotsoran-keloka izy ny zoma teo ary nitaky ny hamoahana ny fonja aloha. Raha tsiahivina nefa dia efa nanapaka ny fitsarana tampony tao Michigan ny taona 2022 fa tsy ahazo famotsoran-keloka mihitsy io lehilahy io. Nilaza ny mpisolovavan’ity farany fa niova izy ary mendrika fanalefahan-keloha. Hatreto dia mbola notsipahin’ny tompon’andraikitra izany.
