Ambohimalaza: Efa voasolo ireo « cables » nisy nangalatra
Ny herinandro lasa teo no nirotsaka an-tsehatra, nanolo sy nanamboatra ireo cables mitondra herinaratra, izay nisy nangalatra, teny amin’ny kaominina Ambohimalaza, ireo teknisianina avy amin’ny orinasa Jirama. Antony nahatonga ny fahatapatapahan’ny jiro teny an-toerana ny fahaverezan’ireo cables, raha ny voalaza.
« Efa maro ihany raha ny fitarainana nalefa raha ny mahakasika ny jiro sy ny fahasimban’ireo fitaovana mifandraika aminy no jerena. Ny hantenaina aorian’izao fanamboarana izao dia ny hoe tena hiena tokoa ny fahatapahan-jiro ety an-toerana fa tena mijaly ny mponina » hoy i Jaona, mponina Ambohimalaza.
« Tsy mitsahatra manentana ny mponina ny jirama mba ho sahy mitoroka ireny halatra taribia sy fitaovam-pitaterana herinaratra ireny. Anisan’ny antony mahatonga ny fahatapahan-jiro lavareny amin’ny toerana hitrangan’izany » hoy ny avy amin’ny Jirama.
Manao ezaka hatrany moa ny avy amin’ny Jirama ny amin’ny fanarenana ireo fitaovana simba sy very eny ifotony. Na izany aza anefa, tsy mbola nahafoana ny fahatapahan-jiro tanteraka izany.
Manitra R.
