Fanadiovana : Nodiovina ny lakan-drano manamorona ny lalam-pirenena fahatelo
Nanatanteraka fanadiovana an’ireo lakan-drano manamorona ny RN3 ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy omaly. Miezaka hatrany amin’ny fanadiovana ny tanàna mba hisian’ny fandrosoana ny tompon’andraikitra any an-toerana.
« Nihoatra ny arabe ny rano maloto teto amin’ny RN3. Sady voaelingelina ireo mpampiasa lalana no simba ny lalana. Izany indrindra no nirotsahan’ny kaominina an-tsehatra mba tsy hitaran’izany fahavoazana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Ny fahazaran-dratsin’ny olona amin’ny fanariana fako any anaty tatatra ihany no tena mahatonga ny tatatra ho tsentsina. Aleo atao any amin’ny toerana sahaza azy foana ny fako na dia ho fanajana ny mpanadio azy ihany aza » hoy i Valisoa, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy.
Madio ny tanàna raha tsy misy ny mpandoto. Azo anaovana tetik’asa hafa ireo teti-bola hanadiovana ny tanàna. Olona maro no afaka misitraka fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
