Institut ISS: Hanao valan-dresaka mandritra ny volana oktobra
Hanao valan-dresaka mandritra ny volana oktobra ny Institut ISS Tsiadana. Maro karazana ny valan-dresaka hifampizarana mandritra izany. “The Challenges of It Projets in Madagascar”, io no loha-hevitra hifampizarana ny alatsinainy faha 23 oktobra 2023; manomboka amin’ny 12:30 ka hatramin’ny 14:30. Ny toerana dia ao amin’ny Institut ISS Tsiadana. Manasa anao ho avy hanatrika izany.
“Maro dia maro ny tanora miditra amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny tetikasa. Maro ireo karazana hetsika sy fifaninana manoloana izany. “The Challenges of It Projets in Madagascar.” Io no loha-hevitra entinay hanaovana valan-dresaka ny 23 oktobra ho avy izao. Manasa anao izahay avy ato amin’ny Istitut ISS hanatrika izany valan-dresaka izany.” Hoy ny tompon’andraikitra.
Tongava manatrika ny valan-dresaka izay tontosain’ny Institut ISS Tsiadana. Ny fisoratana anarana dia azo alaina amin’ny alalan’ny fanasana ao amin’ny commevent@institut-iss.com na hiantso ny laharana +261 34 61 597 24 / 34 87 244 55.
