Itaosy : Nitokona ihany koa ireo mpandeha
Nitokona ireo fiara mpitatitra 133 Itaosy fa leo ny fanasaziana ataon’ny zandary. Etsy an-kilany, leo ny mpitatitra 133 ihany koa ireo mpandeha ka mangataka kaoperativa hafa.
« Mijaly izahay mpandeha amin’ity koperativa ity, satria tsy manaja mpandeha, manambany mpandeha, mpanary mpandeha no sady voretra ihany koa ny sasany. Eo ihany koa ny tsy fanajana ny vehivavy bevohoka, tsy fanajana olona mitrotro zaza, tsy manaja zokiolona fa kitakitaina asaina midina fa miodina an-dalana » hoy i Holy, mponina ao Itaosy. « Mangataka izahay mba hampidirana kaoperativa hafa ety Itaosy mihazo Analakely na toerana hafa. Rehefa misy mantsy izay dia hisy ny fifaninanana ary hanaja ny mpandeha ireo » hoy ireo mponina any Itaosy.
Tsara raha miditra an-tsehatra ny tompon’andraikitra mba hisian’ny filaminana.
Nicole Rafalimananjara
