ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Fanokafana ofisialy ny amboaran’ny ben’ny tanàna

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 15 may ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao Ambohimanambola. Eny amin’ny Kianja Volomborona no hanatanterahana izany.

« Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny tanora sy ny fanatanjahantena. Minatso antsika rehetra ho tonga hanontrona ireo zanaka sy zandrintsika ao anatin’izany tontolon’ny fanatanjahantena izany » hoy i Rahagarison Soanantenaina, ben’ny tanàna ao Ambohimanambola. « Ny NJ01 Volomborona sy ny BAT5 Morarano no hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny lalao. Miisa 33 ireo ekipa handray anjara amin’ity lalao ity » hoy ny mpikarakara.

Hisy ny fanentanana isan-karazany mandritra io fotoana io. Azon’ny rehetra atrehina izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire