Judo : Niova ny teti-andro hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Madagasikara
Dépêche 28 décembre, 15h, Araka ny fantatra hatramin’ny voalohany dia tokony ho nanomboka anio sy rahampitso ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Madagasikara amin’ny taranja Judo. Noho ny faharatsian’ny toetr’andro izay vinavinaina hitoetra dia naroso izany ka efa nanomboka omaly tolak’andro ao amin’ny Kianja Mitafo Ankorondrano. Efa mivoaka araka izany fandaharam-potoana ka anio no hanomboka ny fifanintsanana sy ireo lalao maro samihafa raha ny omaly kosa ny fanombohana ofisialy sy ny filanjana ary ny fandaminana isan-karazany.
