Ankadikely Ilafy : Tontosa ny lalao famaranana tamin’ny Tournoi football open challenge 2022
Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Fifankatiavana, kaominina Ankadikely Ilafy, ny lalao famaranana tamin’ny « tournoi football open challenge 2022 ». Niady ny lalao izay nifanandrinan’ny FC L-Man Akadikely sy ny FC Rovan’Ilafy, araka ny voalaza.
« Niady ny lalao ary tena nafana tokoa nefa dia tao anatin’ny firahalahiana tanteraka izany, ka ny nandresy tsy nohobiana ary ny resy tsy nohakoraina » hoy ireo mpikarakara ny lalao.
« Amin’ny fahatontosan’ny lalao tahaka izao moa, tsy hay ny tsy hisaotra ireo ekipa izay nandray anjara rehetra tamin’izao tournoi izao sy ireo mpankafy baolina kitra tamin’ny fanohanana, isaorana manokana ny ben’ny tanàna sy ny fiadidian’ny kaominina amin’ny fikarakarana ny tanora sy ny fanatanjahantena » hoy hatrany ireo mpikarakara.
Noromban’ny ekipan’ny FC L-Man avy ao Ankadikely, tamin’ny isa 02 no 01 moa ny amboara tamin’ity lalao famaranana Tournoi football Open Challenge 2022 ity.
Manitra Ramanantsoa
