Torohevitra : Fomba hikolokoloana ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava
Maro ireo dingana sy fahazarana tokony hananana raha te hanana nify madio sy ativava salama ny olona iray. Ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava dia anisan’ny miantoka ny fahasalamana ankapobeny ny olona iray ary io ihany koa no hitsarana ny mahaizy azy ny tena, indrindra ny lafin’ny fahadiovana.
Voalohany indrindra, ilaina ny miborosy nify, farafaharatsiny indroa isan’andro. Ny maraina sy ny hariva mialohan’ny atory no hanaovana izany. Faharoa, tsara ny mampiasa ireny antsoina hoe « fil dentaire » ireny indray mandeha isan’andro mba hanalana ireo potikanina eny anelanelan’ny nify sy ny « plaque dentaire ».
Manaraka izany, ferana ny fihinanana zava-mamy sy ny zava-pisotro misy siramamy. Ny mamy dia anisan’ny mahatonga ny fiforonan’ny « carie dentaire ». ankoatra izay, tsara ny manantona mpitsabo matetika, manao fizahana ny fahasalaman’ny nify sy ativava, indray mandeha isan-taona hisorohana ny areti-nify sy fivoaran’ny nify.
Anisan’ny tsara ho fantatra fa ny diabeta dia anisan’ny antony (facteur de risque) mampitombo ny areti-nify indrindra fa ny « maladie paradontale » sy ny « maladie des gencives ». Ary ny areti-nify tsy voatsabo dia anisan’ny manasarotra ny fitsaboana ny diabeta amin’ny olona iray.
Tsara foana anefa ny mihinana sakafo ara-pahasalamana ary mila lanjalanjaina ny sakafo hanina hahasalama, tsy ny vatana ihany fa ny nify ihany koa. ny sigara sy ny paraky dia anisan’ny fahavalon’ny nify ihany koa.
