Turquie : Lasa i Rumeysa Gelgi no vehivavay lava indrindra eran-tany
Notendren’ny Guinness World Records ho vehivavy lava indrindra eran-tany i Rumeysa Gelgi ny alakamisy teo. Mirefy 2, 15 metatra izy, vao 24 taona monja ary avy ao Karabük ao Turquie. Aretina nefa no mahalava be ity vehivavy ity, tratran’ny syndrome de Weaver ny tenany. Manafaingana ny fitomboana io aretina io raha ny fanazavana ary mitarika tsy fahatomombanana eo amin’ny ratsam-batana sy eo amin’ny endrika na eo amin’ny karan-doha (craniofaciale) ary eo amin’ny ati-doha (neurologique). Tsy miova matetika ny vehivavy lava indrindra hoy ny tompon’andraikitry ny bokin’ny Records, Craig Glenday ka voninahitra no azy no mandrakitra io vehivavy io ao amin’izany.
