Fifaninana Débat de la Haye: Tafiditra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ny Oniversiten’Antananarivo sy ny UCM
Dépêche 09 mai, 13h, Samy tafita amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana avokoa ireo mpandray anjara roa avy aty Madagasikara di any Oniversiten’Antananarivo sy ny UCM izany. Oniversiten’ny Paris Saclay no resin’ny UCM tamin’izany raha ny Oniversiten’ny Lille kosa no resin’ny Oniversiten’Antananarivo. Samy mafy ny ady saingy mbola hain’izy ireo hatrany ny mitana ny toerany. Hifanandrina amin’ny Université de Tours ny UCM ary ny Université Libre de Bruxelles kosa ny an’ny Oniversiten’Antananarivo amin’ity ampahefa-dalana ity.
