Ankadinandriana : Tafatsangana ny fikambanana Zanak’Ankadinandriana Miray
Tafatsangana ny herinandro teo fikambanana Z’AMI (Zanak’Ankadinandriana MIray). Ity fikambanana ity izay enti-mamalomaso ny tanànan’Ankadinandriana, hampiraisana hina sy hanehoana fitambarana eo amin’ireo terak’Ankadinandriana, raha ny voalaza.
« Fikambanana tsotra, tsy miankina amin’ny antoko politika, na firehan-kevitra, tsy manavaka finoana ihany koa, ary tsy manana tanjona ara-bola fa kosa entina ampahafantarana ny tanindrazana nihaviana, ary manaraka izany ny fampandrosoana ny tanàna amin’ny lafiny izay tapakin’ny mpikambana rehetra” hoy ireo avy amin’ny fikambanana.
« Rehefa mazoto ny olona iray, izay avy any Ankadinandriana dia afaka miditra anatin’ny fikambanana. Tahaka ny fikambanana rehetra misy ny taratasy entina ahafantarana ny mpikambana, eo ampikarakarana izany ny tomponandraikitra ary afaka mandray anjara amin’ireo hetsika izay atao » hoy hatrany ny fanazavana.
Ny fijoroan’ny fikambanana tahaka izao, miampy ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika isan-karazany tokoa no mampisy ny fampandrosoana. Mampitombo sy manamafy ny firaisan-kina, indrindra ny fihavanana ihany koa izany.
Manitra R.
