ActualitésTsidika

Alasora : Fokontany maromaro no misitraka fitateram-bahoaka

Telo taona izao no tsy nisy intsony ny fiara fitateram-bahoaka mitatitra ny mponina ao amin’ny fokontany maromaro ao Alasora, toy i Mahatsinjo, Ambohitrazaka, Ambodivoanjo. Tapaka teo anivon’ny kaominina fa hitatitra ny mponina amin’ireo toerana ireo ny zotra 192.

« Tapaka fa ho alefa hitatitra ny mponina eny amin’ireo fokontany ireo ny zotra 192. Isaorana etoana ny fiaraha-miasa amin’ireo kaoperativa ireo. Efa nanomboka ny zoma lasa teo ny fitaterana ireo mponina » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Somary nanahirana ny fitaterana teto teo aloha. Sakana lehibe lehibe eo amin’ny fampandrosoana anefa ny olana eo amin’ny fifamezivezena. Mijery hatrany ny vahoaka tokoa ireo tompon’andraikitra » hoy i Rivo, mponina ao Ambohitrazaka.

Fitarainana lavareny tokoa no voarain’ny kaominina ny mikasika ity fitaterana ity. Ankehitriny, voavaly ny antso, ary mihezaka hatrany mijery ny hanampiana ireo tanàna hafa indray ny tompon’andraikitra amin’izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire