SocialTsidika

Mbola misy mampiasa ody gasy eto Antananarivo

Malaza ho mpilalao ody ny Ntaolo, ary tsy menatra amin’izany. Heverina ho lova avy amin’ireo razam-be tany aloha moa izany ka mbola misy manao izany ihany ankehitriny. Mampikorotana ny sasany izay tsy voakasik’izany filalaovana ody izany anefa ny mbola fisian’izany amin’izao vanim-potoana izao. Misy mizaka ny mafy mihitsy aza noho ny ataon’ireo mpanao fanafody ireo.

Samy manana ny tsiambaratelony ny firenena tsirairay, ny ampahany amin’ny mistery ary indrindra ny ody na « magie » hoy isika. Samy manana ny fomba fiantsoany azy ihany koa ny firenena tsirairay avy raha io lafin-javatra io no jerena. Anisan’ny nanan-danja teto Madagasikara mantsy raha ny resaka « ody » na « sampy » tamin’ny razam-be teo aloha. Raha ny fantatra, misy karazany roa no antsoina hoe ody; ny ody entina manasitrana aretina maro sy ny ody entina hanaovan-dratsy. Ny ody gasy izay efa tsy misy viana amintsika fa « ratsy » ny hevitr’izany. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ireo olona tsy manan-tsiny izany ka antony maharatsy azy voalohany indrindra. Mitaky zavatra maro ny zavatra tompoin’ireny mpanao ody ireny « hono » raha ny fantatra.

« Tena mbola misy ny mpanao ody gasy amin’izao vaninandro iainantsika izao, ary efa nisy havanay tratran’ny famosavian’ireny mihitsy » hoy i Seheno, mponina ao Manjakaray. « Tsy mitombona izany raha tena kristianina ianao » hoy kosa i Feno. Nanambara kosa anefa ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena fa « mbola mitombona izany resaka ody gasy izany ary efa voamarinay tamin’ny karazana fitaovan-jiolahy hitan’ireo miaramilanay ».

Nilaza kosa anefa i Emile Durkheim, manam-pahaizana mpandalina ny tranga ara-piarahamonina fa « tokony dinihina toy ny trangan-javatra rehetra ny tranga ara-piarahamonina ». Raha azavaina ny tian’ny mpanoratra ambara dia tokony hanaovana fanadihadiana toy ny zava-drehetra ny tranga ara-piarahamonina ary mila andraisana fepetra entitra.

Sao dia tokony halala-tsaina ny rehetra fa anisan’ny maha Malagasy izany. Inoana amin’ny ankapobeny fa tsy misy tsy mahalala ny fisian’izany atao hoe ody gasy izany ny tsirairay ka tsy tokony ho taitra intsony manoloana ny tranga momba izany. Tokony hahazo falalahana hampiasa izany ody gasy izany ve ireo olona mpitazona izany fomba nolovain-jafy izany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire