Mitohy ny fanamboarana ny kianja Barea
Miroso hatrany ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina amin’izao fotoana izao. Eo ampandrodanana ny tamboho taloha ireo mpiandraikitra ny amin’izany, mba hosoloina ho « manaraka ny toetr’andro » kokoa sy manara penitra tahaky ny kianja. Noesorina araka izany ireo mpivarotra manankina ny tambohon’ny kianja. Miezaka manafaingana ny dingana voalohany izay fanamboarana ny « tribune » sy ny « périmètre de sécurité » hatrany ny fitondram-panjakana mba ho fanatanterahina ny matso ny 26 jona 2021, izay fetim-pirenena Malagasy.
Nathalia Rasoarilala
