Iza i Thomas Fontaine ?
Teraka ny 8 may 1991 tany Saint-Pierre any La Réunion i Thomas Fontaine izay mpilalao baolina iraisam-pirenena Malagasy. Mitana ny anjara toerana vodilaharana eo afovoany izy tao amin’ny FC Lorient.Nivelatra tsikelikely tao amin’ny ekipan’ny Olympique Lyonnais izy ny taona 2008-2009 ka nilalao niisa 20 na dia vao 17 taona monja aza. Ny 2012 indray dia niditra tao amin’ny Lyon izy, avy eo indray nanatevin-daharana ny ekipan’ny Tours FC tao amin’ny Ligue 2. Vao kely izy izany dia nisehatra tamin’ity taranja baolina kitra ity satria efa isan’ny voafidy tamin’ny ekipan’ny Frantsa latsaky ny 20 taona tamin’ny taona 2011. Ny Martsa 2017, nahazo ny zom-pirenena malgasy izy noho ny renibeny izay teratany Malagasy. Nanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy izy ary nandray anjara tamin’ny CAN 2019.Mandray anjara amin’ny fifaninana iadiana ny tompon-daka maneran-tany indray ny Malagasy ary isan’ny nahatafiditra ny baolina iray izy tamin’ny fihaonana tamin’ireo Tanzanianina ny 7 septambra lasa teo. Nicole Rafalimananjara
