Tontolo iainana : Tra-tehaka ny mpandoro ala, vokatry ny fiaraha-miasa
Lehilahy iray no tratra teo am-pandrorana tanety tany amin’ny faritra Sofia ny 6 sy 11 jolay lasa iny tany Anjiajia faritra sofia.
Fiaraha-miasan’ny mponina tany an-toerana sy ireo rantsa-mangaika misehatra amin’ny tontolo iainana no nahatratrarana ity lehilahy iray ity. Tany mirefy 1,5 hektara no nodorany tamin’izany. Fanahy iniana ve sa olana manokana ? Efa indroa miantaona ity lehilahy ity no nanao izao fihetsika izao. Nanameloka izany fihetsika izany tanteraka ny avy eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Efa nahiditra am-ponja vonji-maika ity lelilahy ity ny 26 jolay teo ary miandry ny fitsarana izy.
Ny ministera mpiahy ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana dia manentana hatrany ny olom-perenana amin’ny fiaraha-mientana ho fiarovana ny ala ho antoka an’ny fampandrosoana maharitra ; tokony ho atao loha-laharana ihany koa anefa ny fametrahana rafitra mati-paika isam-paritra indrindra fa amin’ny faritra sisa misy ala eto amintsika mba hanara-maso sy hiady hatramin’ny farany ho fiarovana ny ala sisa misy.
Manitra Ramanantsoa
