Dépêches

Orinasa mahakasika ny lamba : Ambany ny karama ho an’ireo mpiasa, hoy ny OIT

Dépêche 11 novembre, 13h, Araka ny fanambaran’ny Organisation Internationale du Travail dia 43% amin’ny mpiasa amin’ny orinasa afaka haba no miaina amin’ny karama 9000 ar isan’andro, izay tena tsy ampy hivelomana raha mamelom-bady aman-janaka ny olona iray. Mpiasa maro no mameno ity orinasa ity ary mitana anjara toerana lehibe hoan’ny ari-karena faobe ho an’ny Madagasikara ny fisian’ireny orinasa mahakasika ny lamba ireny. Tokony hifanaraka araka izany anefa ny vola miditra amin’ny mpiasa mba hampifandanja ny hodidina misy ny mpiasa sy ny orinasa.

Laisser un commentaire