Ambatondrazaka : Nitrangana firehetana ny trano fivarotan-kazo
Dépêche 29 novembre, 12h30, Nisehoana firehetana indray tao amin’ny fivarotan-kazo tao Atsimontsena Ambatondrazaka. Mitentina 600 tapitrisa ariary ny fatiantoka tamin’izany. Kila avokoa noho izany ireo hazo rehetra izay hovarotina. Ny mpiara-monina no nifarombona namono ny afo noho ny tsy fisian’ny sampana mpamonjy voina any an-toerana. Araka ny fantatra dia « court-circuit » no nahatonga ny firehetana. Trangan-javatra toy izao indrindra no ilaina ny mpamonjy voina ka tokony hanana izany avokoa isaky ny faritra hanamorana ny fandrindrana ny afo.
