Anjeva: Nametrahana foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio tao amin’ny fokontany Ambohidrazana
Mitohy hatrany ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra ataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ambohidrazana indray no nanaovan’ireo tomponandraikitra ny fitsidihana ifotony.
« Ny vohitra Ankitsikitsika, Atsojombe, Antangirika indray no notsidihana nandritra ny fitsidihana ny mponina tamin’ity manaraka ity. Tao anatin’ny dinika sy ny tafa niarahana tamin’ireo mponina no nanolorana azy ireo paompy miisa fito ary foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio vaovao » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Anisan’ny olana nosedrain’ny mponina teto an-toerana ny fahazoana rano fisotro madio; ankehitriny tonga eto an-toerana izany vokatry ny ezaka nataon’ny tomponandraikitra” hoy I Léon, zokiolona.
Aina ny rano. Maro ireo tsy mbola misitraka izany amin’izao fotoana. Ny kaominina Anjeva gara dia anisan’ny manao laharam-pahamehana ny fampisitrahana izany ho an’ny isam-pokontany. Tokontrani dimy hatramin’ny folo moa no misitraka fatsakana iray ao anatin’izany.
