Inde : Nihena ny taham-pahantrana ao an-toerana
Nanavao ny IPM (Indice mondial de pauvreté multidimensionnelle) an’ny firenena 110 ny fandaharan’asan’ny ONU momba ny fampandrosoana sy ny foibem-pikarohana ao amin’ny Oniversiten’i Oxford. Raha ny tatitr’izy ireo dia nihena ny taham-pahantran’i Inde ary mponina 415 tapitrisa no tafavoaka tamin’ny fahantrana tao anatin’ny 15 taona.
Marihana fa ny IPM dia tsy mifantoka amin’ny tahan’ny fidiram-bola ihany fa mandrefy ny fahantrana amin’ny lafiny samihafa amin’ny fiainan’ny mponina ihany koa. Ny « Indice » dia ampiasaina hanasongadinana ny tsy fahampiana fototry ny tokantrano iray, mifototra amin’ny lafiny telo izany dia ny fari-piainana, ny fahasalamana ary ny fanabeazana.
Raha ny fanamafisana dia nihena 47,1% izany taham-pahantra ny taona 2015-2016 ary 44,4 % ny taona 2019-2021. Ny taham-pafatesan’ny ankizy ihany koa dia nihena 4,5% raha 1,5% teo aloha ary ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo dia nihena 44,3% raha 11,8% monja teo anelanelan’ny taona 2005-2006 sy 2019-2021.
