Soanierana Ivongo : Olona 4 narendriky ny lakana
16 Febroary, 09h30. Na dia efa nampitandrina asa ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro dia mbola nisy olona sahy niampita lakana ihany. Manoloana izany dia olona 04 nandeha lakana hazo omaly hariva no narendrik’izany noho ny andro ratsy. Ny 2 tamin’ireo no efa hita ary velon’aina soa aman-tsara. Mbola karohina kosa ireo 2 hafa.
