Dépêches

OJM : Manomboka ny fizarana karatra

16 Febroary, 09h00. Hanomboka androany alarobia 16 febroary, amin’ny 11 ora maraina, ny fizarana ny karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety. Ho an’ny eto Analamanga dia eo amin’ny foiben-toeran’ny OJM Ambohidahy, ao amin’ny « Trano Sary » no hakana izany, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma amin’ny 9 ora hatramin’ny 2 ora. Any amin’ireo mpikambana amin’ny birao isam-paritry ny OJM kosa ho an’ny faritra hafa. Hanomboka androany ihany koa, ka hifarana ny 31 martsa ny fandraisana ny fangatahana vaovao ny karatra, ho an’ireo tsy tafiditra anatin’ny lisitry ny nahazo. Azo alaina ao amin’ny tranon-kalam-pifandraisan’ny OJM, www.ojm.mg ny « formulaire » hofenoina azo alaina amin’ity rohy ity ihany koa izany : https://ojm.mg/fddpj/

Laisser un commentaire