Ukraine : Firenena maro no niantso ny terataniny hiala ny firenena
Manoloana ny fandrahonan’i Russie hanafika an’i Ukraine dia firenena maro no niantso ireo terataniny ao Ukarine hiala ny firenena. Misy ireo firenena efa nampihena ny solontena diplomatikany ao an-toerana. »Mila miala ny mponina américain ary mila miala izao dieny izao, tafika anisany lehibe indrindra eran-tany ity mandrahona ity» hoy ny filohan’i Etats-Unis, Joe Biden izay nitarika io fialàna an’i Ukraine io. Vetivety ihany dia mety ho ratsy ny tantara hoy izy ary nanamafy izy fa tsy handefa miaramila ao amin’ny faritanin’i Ukraine na hamoaka ireo tera-tanin’i Etats-Unis ao an-toerana fotsiny aza noho izany mety hiteraka ady lehibe.Tao anatin’ny telo andro monja dia efa tapitra niantso ny terataniny hiala an’i Ukraine avokoa ny firenena. Anisan’izany i Allemagne, Italie, Espagne, Canada, Norvège, Australie, Japon, Israël, Arabie Saoudite ary Émirats Arabes Unis.
