Fasan’ny karana : Nampitandrina amin’ny tsy fahandriam-pahalemana ny mpitondra kodian-droa iray
16 Febroary, 12h00. Ho an’ireo mpandalo eny amin’ny fasan’ny karana dia mitandrema ireo mpitondra kodiaran-droa ny olona iray sendra tojo fanakorontanana. Tao anaty fitohanana izy no nisy lehilahy roa nanaraka ary nanery azy nanome ny peratra volamena teny an-tanany. Nibeda azy mihitsy ny iray tamin’ireo lehilahy ireo ary nibahana azy ny iray hafa saingy nahay niala aingana ny tenany.
