Ihosy : Noraisin’ny tafika an’habakabaka vonjimaika ireo olona niharan’ny lozam-pifamoivoizana
25 Aogositra, 14h00, Olona telo niharan’ny lozam-pifamoivozana tao Ihosy no nentin’ny Tafika Anabakabaka vonjy maika tao amin’ny Cenhosoa ny talata lasa teo. Ny iray tamin’izy ireo no naratra mafy ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Vao napetraka vao andro vitsivitsy izay ny détachement aérien ao Ihosy ary ny tanjona nametrahana azy dia mba hanakaikezana kokoa ny olona ao amin’ny faritra manodidina sy hanafainganana ny fandraisana andraikitra raha misy ilana izany. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitry ny Tafika ny fanatanterahana ny atao hoe actions civilo-militaires toy izao
