Fampananana asa : Olona 35 000 no hisitraka ny tolotr’asa mandritra ny 2 volana
Olona 35 000 eto Antananarivo sy ny manodidina no hisitraka asa mandritra ny roa volana ao anatin’ny tetik’asa fanadiovana lakandrano (Projet de curage des canaux hydro-agricoles). Hampihena ny tahan’ny tsy fanana’asa ity tetik’asa ity.
« Mandritra ny roa volana ity tetik’asa ity. Olona 35 000 mahery no antsoina hanatanteraka ny asa » hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany. « Miara miombona antoka amin’ity tetik’asa ity ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny APIPA ary ny Organisation Intérnationale du Travail (OIT). Tanjona amin’izao ny hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy » hoy hatrany izy ireo. Betsaka tokoa ireo olona liana amin’ity tolotr’asa ity izay noraisina teny Andohatapenaka. Hirariana ho betsaka ny asa tahaka izao izay tena manampy ny maro an’isa tokoa.
Nicole Rafalimananjara
