Dépêches

Trano mora Toamasina : Hanomboka ny 18 jolay izao ny fisoratana anarana

11 Jolay, 12h 30 Hisokatra manomboka ny 18 jolay izao ny fisoratana anarana ahazoana ireo Trano Mora miisa 80 Amboditononina (akaikin’ny Génie Militaire) ao Toamasina. Hozaraina miandalana ny fepetra rehetra ahafahana mandray anjara amin’izany, hoy ny tompon’andraikitra.

Nitsidika ny fandroson’ny asa kosa ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, Andriamanohisoa Gérard.

Laisser un commentaire