ActualitésTsidika

Alasora : Maro ireo lalan-kely mila fanamboarana

Anisan’ny mampimenomenona ny mponina, indrindra fa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra madinika amin’izao fotoana izao, ny fahamaroan’ireo lalan-kely simba eny amin’ny fokontany, ao amin’ny kaominina Alasora. Manano sarotra ny fampiasana ireo lalana, ary tokony asiana fanamboarana, raha ny voalazan’ireo mponina.

« Efa ela ihany no tsy nisy fikarakarana na fandraisana fepetra avy amin’ireo tompon’andraikitra ireo lalana simba ety amin’ny fokontany kanefa tena mampijaly ireo mpampiasa azy, indrindra ny mpianatra madinika amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao » hoy i Holy, mponina ao Alasora.

« Tsy voatery hiandry ny kaominina vao afaka hanamboatra ny lalana simba eny amin’ny fokontany eny. Azo atao tsara ny manao fiaraha-mientana amin’ny fanamboarana ny lalana satria lalana ampiasaina isan’andro hivezivezena tsy tokony hiandry tomponandraikitra foana » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mponina eny ifotony eny ny fahasimban’ny lalan-kely. Azon’ny fiaraha-monina atao ny miray hina, samy mitondra anjara biriky amin’ny fanamboarana ireo lalana fa tsy voatery hiandry tomponandraikitra na ny kaominina.

Manitra R.

Laisser un commentaire