ActualitésTsidika

Harem-pirenena : Ny tsy fahafantarana no mahatonga ireo olona hihaza ny jaboady

Amidin’ny olona 30 000 ariary ny jaboady na (fossa fossana) any Sambava. Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ampanantsovana, izay andalovan’ny lalam-pirenena mampitohy an’i Sambava amin’Antalaha, no nahatrarana ireto mpivarotra ireto.

« Tsy sambany izahay mahazo jaboady toy izao. Tsy fantatray kosa hoe enjehana ny mihaza sy mamono azy » hoy ireto mpihaza ireto. « Matetika tokoa ny tsy fahafantarana ny lalàna no mahatonga ny tsy fanarahan-dalàna ; Tokony hisy hatrany ny fampahafantarana ataon’ny tompon’andraikitra » hoy i Solo, mpahay lalàna.

Ny jaboady « fossa fossana » izay fianakaviana iray ihany amin’ny fosa « cryptoprocta ferox » dia biby ahiana ho lany tamingana ary tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Raràn’ny lalàna ny fihazana sy ny famonoana azy ireny; 

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire