Etats-Unis : Voakasiky ny sazy nomena an’i Russie ny zanaky ny filoha
Manoloana ny vono olona notaterin’ny haino aman-jery tao Boutcha dia nilatsaka ny alarobia teo ny sazin’i Russie manoloana izany avy amin’ny firenena samihafa. Nilaza fanasaziana ara-toekarena sy ara-bola vaovao an’i Russie indray i Etats-unis. Mikendry ny sehatry ny banky ao Russie izany ary mahakasika ny zanaka vavin’ny filoha Vladimir Poutine ihany koa.Nanapa-kevitra i Washington fa ahitsoka avokoa ny fananan’izy ireo sy ny fifandraisany amin’ny rafitra ara-bolan’Amérique. Marihina fa sarotiny amin’ny fiainany manokana i Vladimir Poutine, ny taona 2020 dia nilaza izy fa tsy te hizara na inona na inona momba ny fianakaviany noho ny fahandriam-pahalemana.Tetsy ankilany dia nilaza ny filohan’ny filan-kevitr’Europe, Charles Michel fa tsy maintsy hahazo sazy momba angovo sy solika (pétrole sy gaz) i Russie na ho ela na ho aingana.
