Miroso aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo ireo tanora Malagasy amin’izao fotoana
Manodidina ny dimy ambifolo taona hatramin’ny dimy ambiraopolo taona ny salan-taona izay nomen’ny teo amin’ny biraon’ny UNFPA. 31% ireo tovovavy raha toa ka 22, 3% ny lehilahy. 48% amin’ny vehivavy dimy ambifolo hatramin’ny sivy ambifolo taona kosa no miroso amin’ny fiterahana vokatr’izany.
Mitohy amin’ny fitetezana fokontany sy sekoly fampianarana noho izany ireo mpanentana ara-pahasalamana hanampiana ny ady manoloana izany. Eto an-drenivohitra no miantomboka ny fanentanana, izay antenaina hitohy hatrany amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy. Fanentanana izay miaro fampianarana ireo tanora mahakasika ny zo ara-pahasalamana sy ireo tokony ho fantatra mahakasika ny lafiny ara-pananahana.
« Manampy anay tanora iaro tena sy itandrina amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny fanentanana naaon’ireo tompon’andraikitra. Mampatsiahy anay ihany koa ireo lesona rehetra izay nampitain’ny mpampianatra tany an-tsekoly » hoy i Fitia, mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa
« Miroborobo tanteraka ny fanentanana ireo tanora hampiasa fandrindram-piterahana mialoha, izany hoe dieny mbola mpifamofo ny olona roa no amporisihina hampiasa izany. Toa lasa mamporisika ireto tanora iros sahady amin’ny firaisana ara-nofo nefa izany, satria hainy ny hevitra rehetra ialana amin’ny vohoka aloha loatra, roboka avy hatrany amin’ny firaisana ara-nofo izy ireo vokatr’izany » hoy i Tiana, raim-pianakaviana.
« Fampianarana ireo tanora mahakasika ny fiarovana amin’ny ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy niriana no tena vonton-dresaka, ampahafantarina azy ireo ny fomba rehetra iaravona ny fahasalamana » hoy i Ezra, mpanentana ara-pahasalamana. « Efa tafiditra ao anaty fandraharam-pianarana ny fananahana hatramin’izay, saingy mila resahina matetika amin’ireo tanora ny mahakasika izany. Tsy tokony hisy olana amin’ny fampitàna izany rehefa tsy olo-pady no mifampiresaka. Fampianarana toy ny fampianarana rehetra mahakasika ny taovan’ny olombelona no atao » hoy i Dr Sariaka.
Tsy ampy ny fampiarana mahakasika ny fananahana eo amin’ny ankohonana, hany ka olon-kafa ivelany no mitondra ny fampianarana ankehitriny. Tsy tokony hahamenatra anefa ny firesahana izany eo amin’ny fianakaviana noho izy izay fototra iankinan’ny fampianarana. Fampahalalana azo antoka sy fahasalamana momba ny fandrosoana ara-pahasalamana, fihetseham-po, ara-batana ary ara-tsosialy amin’ny firaisaina ara-nofo no takiana homena ireo tanora.
Miainga amin’ny filaminan’ny mponina ao aminy ny fandosoan’ny firenena iray. Antoka iray hitondra amin’ny fampandosoana noho izany ny fahaizan’ny vahoaka mandrindra ny fiainan’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fomba fanabeazanaizana maro. Azo hantenaina ve ny handresen’i Madagasikara ny fahantrana misy eto amintsika raha toa ka voarindra tanteraka ny fiainam-pianakaviana ?
Haingotiana Andriamihaja
