Tsidika

USAID : Nanolotra fitaovana laboratoara mitentina 155 000 USD

Ho fanaraha-maso ny kalitaon’ny fanafody dia nanolotra fitaovana laboratoara mitentina 155 000 USD ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny USAID ny fiadohan’ny herinandro lasa teo.

Nandritra ny fanolorana ireo fitaovana ireo no nampahatsiahivana fa ny ny fiarovana sy ny fahombiazan’ny fanafody no tanjona amin’ny fampiasana ny fitaovana tahaka ireo ary izay ihany koa no antony nanolorana azy ireo ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanafody ampiasina eto Madagasikara.

« Sarobidy ny fahasalamana ka ilaina arovana sy ary kendrena mba ahomby hatrany ny fanafody izay ampiasaina. Ireo fitaovana ireo no hanampy amin’izany fiarovana ireo fanafody izany ka ho fanafody mahomby sy azo antoka no ampiasaina » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny USAID.

Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny mpisehatra ara-pahasalamana dia naneho fankasitrahana ny USAID tamin’ny fanoloranan ireto fitaovana ireto. « Ankasitrahana feno ny USAID nanolotra ireo fitaovana laboratoara ireo. Mahavelom-bolo ny mahita fiaraha-miasa tahaka izao satria ny fanana fitaovana avo lenta toy izao dia hanatsara kokoa ny kalitaon’ny fitsaboana eto amintsika » hoy ny mpitsabo.

Ny USAID araka ny maha vondrona misahana ny fampandrosoana azy dia manome lanja ny maha olona, izay no anisany hirotsahany an-tsehatra amin’ny tontolon’ny fahasalamana tahaka izao.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire