SportTsidika

Mila fanohanana ireo ekipam-pirenena Malagasy

Isan’ny handrandrain’ny Malagasy rehetra ihany koa ny ekipam-pirenena Malagasy izay hiatrika ny lalaon’ny nosy any Tokyo Japon ny volana jolay ho avy izao. Ny taranja Rugby no hisoloan’ny Malagasy tena any izay hotontosain’ny Makis Vehivavy. Nilaza i Véronique Rasoanekena, isan’ny mpilalao vehivavy amin’ny rugby, fa ny nahazahoana ticket hahafahana mandray anjara amin’ny « jeux Olympiques » any Tokyo, midika fa mihamafy ny kotrana sy fanazaran-tena miandry ireo mpilalao. Nilaza ihany koa ny Filoha teknika ny Rugby Malagasy, Antso Randrianorosoa, fa mila fanohanana be ireo ekipam-pirenena ireo indrindra fa amin’ny lafiny ara-bola mba hahazahoana vokatra tsara. Ny ekipam-pirenena miatrika ny Basket League Africa any Rwanda indray, amin’ny lalao ho avy izao no hiatrika ny lalaony fahatelo raha toa ka resy foana nandritra ny lalao roa ary io amin’ny 23 May io sisa ny fanantenana ho antsika amin’izany lalao taranja Basket any Rwanda izany. Mila fanohanana amin’ny Malagasy rehetra ny ekipam-pirenena, rehefa tsy ao anatin’ny mpilalao ihany, tsy aleo manohana ny mpilalao? Ireo mpanao fanatanjahan-tena sy ireo mpanao hetsika ara-java-kanto toy ny hira sy slam sisa hany azontsika ireharehana hatreto.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire