ActualitésTsidika

Notokanana ny Base Operationnelle Avancée tany Ihorombe

Ankoatra ny ady amin’ny valan’aretina covid-19, miady mafy amin’ny tsy fandriampahalemana ihany koa ireo faritra maro eto Madagasikara amin’izao fotoana. Nojeren’ny filoham-pirenena manokana ny fomba amahana izay any amin’iny faritra Ihorombe iny ka nandritra ny fandalovany tany no nanokanana ny Base Opérationnelle Avancé na BOA. Tao anatin’ny taona maro no niaretan’ireo mponina any amin’iny faritra iny ny asan-dahalo isan-karazany. Napetraka araka izany ity BOA ao Iakora faritra Ihorombe ity mba hiandraikitra ny fanpandrian-tany sy ny tsy fandiam-pahalemana izay mampiferinaina ireo mponina. Araka ny nambaran’ny filoha, miaramila voaofana miisa 80 no alefa hiasa amin’ity BOA ao Iakora ity. Ity ivon-toeran’ireo tafika mpampandry tany ity izay ahitana fotodrafit’asa arifomba maro toy ny toeram-pibaikona (centre de commendement), toeram-pitsaboana sy fatoriana, toerana fisakafoana sy fitahirizana fitaovam-piadiana sy ny maro hafa. Tanjona hoy hatrany ny filoha ny hamongorana tanteraka ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy ka tsy hijanona any Iakora irery ny fametrahana toby miaramila toy ity fa haparitaka manerana ny nosy.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire