ActualitésTsidika

Fiteny : Inona izany hira tsangana ?

Ny hiran’ny mpilanonana teo aloha no atao hoe hira tsangana. Efa tahaka itony mpilalao hira gasy ankehitriny izany ankehitriny. Jejy sy valiha ary sodina no mpiaraka aminy. Tena kanto tokao miaraka amin’ireo zava-maneno ny hira tsangana. Ny manam-boninahitra sasany no manana mpihira. Izay manam-pifaliana no maka azy.

Izany indrindra no nahatonga ny fiteny hoe « Imena no mahay, ka Imavolahy no malaza ». Ny tantara nisy fahiny no nahatonga izany. Mpanao hira tsangana iray tarika mantsy Imena sy Imavolahy.  Imena mpiasa be ary, Imavolahy kosa no kevo-lahy. Imavolahy anefa no malaza raha toa ka Imena no tena niasa.

Ireo manam-boninahitra manana mpihira tokoa no nahazo laza noho ireo mpihira tsangana. Tena nahavory vahoaka tokoa izany tamin’izany toy ireny hira gasy amin’izao fotoana ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire