Tsidika

Ambohidratrimo: Tratra ilay vehivavy mpanao herisetra amin’ny zaza tsy ampy taona

Vehivavy 22 taona mpampiasa zaza tsy ampy taona iray no nosamborin’ny mpitandro  ny filaminana teny Ambohidratrimo .  Nanomboka ny volana Aprily lasa teo no niasa tato amin’ity tovovavy ity i  Larissa , zazavavy kely 13 taona . Nandritra izay dia niharana karazana herisetra maro izy toy ny vono miteraka ratra . Farany teo dia nodoran’ity mpampiassa ity tamin’ny fitaovana fanatsoram-bolo izy ka tonga nitaraina tamin’ny mpitandro ny filaminana.  Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary ary nisambotra ilay mpampiasa rehefa voamarina avokoa ny fitantaran’i Larissa.

  “Telo volana izay no niasako tao aminy. Rehefa misy tsy mifanaraka kely amin’ny eritreriny ny zavatra ataoko na dia tsy misy dikany aza dia darohany aho, indraindray maratra mihitsy aho. Tamin’ity izao dia nodorany taamin’ny fer à lisser ny tanako satria tsy hitako ny lamba famonosana vary. Izay no antony nahatonga ahy may be tahaka izao. Tena nijaly aho nandritra izay fotoana nijanonako tao aminy izay.” Hoy i Larissa

“Fadio ny fikasihan-tanana, ny fampijaliana amin’ny lafiny rehetra atao amin’ny olona indrindra fa ny zaza tsy ampy taona fa voararan’ny lalàna ary tsy handeferanay zandary izany. Tsiahivina ihany koa fa voararan’ny lalàna ny fampiasana Zaza tsy ampy taona. Anisany mahasarotiny anay ny fiarovana ny zon’ny Zaza tsy ampy taona raha misy mikasa handika izany dia mialà lavitra an’Ambohidtratimo.” Hoy ny zandary eny an-toerana.

Maro tokoa ny tranga fampiasana zaza tsy ampy taona mbola hita eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary hita izany na ety Andrenivohitra na any Ambanivohitra. Araka ny efa fanentanana atao foana dia voarara ary helohin’ny lalàna ny fampiasana zaza tsy ampy taona na inona na inona antony sy endrika isehoany. Tompon’andraikitra amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy na ny ray aman-dreny na ny fiaraha-monina ka mety iharan’nny sazy avokoa raha toa ka hita ho manome vahana ny fanitsakitsahana ny zo maha olona ny zaza.

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire