ActualitésSocialTatitra

Mayotte : Nahitana trangan’aretim-pivalanana vaovao indray

Nanao fanambarana indray ny ministry ny fahasalamana tao amin’ny nosy Mayotte, omaly, noho ny fisian’ny trangan’aretim-pivalanana vaovao indray. Olona 67 indray no voamarina fa voan’ny aretina “cholera” tamin’izany. Raha tsiahivina, vao nanao fanambarana ity ministra ity ny faran’ny herinadro teo fa tsy misy intsony ny trangan’aretina tany an-toerana, noho ny fanentanana tamin’ny fanaovam-baksiny enti-miady amin’izany, izay nahomby sy nahasarika olona maro tokoa. Tao anatin’izany ihany koa, dia zazavavy kely iray telo taona no namoy ny ainy vokatr’ity valan’aretina ity tamin’ny herinandro teo. Nanamafy moa ity ministra ity, fa tsy misy ny tokony hampiahiahy ireo mponina ao anatin’izao. Rehefa misy ny fandraisana an-tanana ireo marary dia mila faharetana ny fitsaboana izany, ary tsy tokony hiakatra ny tahan’ny fahafatesana rehefa manaraka ny fitsaboana.

Laisser un commentaire