Ambohimangakely: Hisy ny seho goavana ho fankalazana ny Festival SSMAF
Hisy ny seho goavana (spectacle SSMAF) izay tanterahana eny amin’ny kianja Antanimenabe, sampanana Behintsy Ambohimangakely, ny alahady 03 septambra izao, hanomboka amin’ny 02 ora tolak’andro.
“Ho fankalazana ny festival SSMAF, dia hafaliana ho an’ny BTC Ambohimangakely ny manolotra sehon-tsehatra goavana amin’ny alahady izao. izany dia hiarahana amin’ireo mpanakanto malaza toa andry Agrad, Malm ary Myrna. Maimaim-poana ny vidim-pidirana amin’ny hetsika” hoy i Hasina, tomponandraikitra avy ao amin’ny BTC.
“Tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika SSMAF ity seho ity. Hanasana indrindra ny rehetra ho tonga maro hifety sy hiala voly mandritra io fotoana io sady ihany koa mamara-parana ny fialan-tsasatra” hoy hatrany ny fanazavana.
Maro ireo hetsika atolotry ny BTC amin’ity faran’ity herinandro ity. Marihina moa fa tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny Festival SSMAF izany hetsika rehetra izany. Miara-dalana amin’ity sehon-tsehatra ihany koa ny “foire économique SSMAF”, ity farany izany manomboka anio, ary tsy hifarana ihany koa raha tsy amin’ny alahady.
Manitra R.
