ActualitésTsidika

Fahasalamana : Mivelatra amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana

Efa miroborobo ary efa tsy afa-miala amin’ny fampiasana ny teknolojia intsony ny Malagasy rehetra amin’izao fotoana izao. Efa maro ireo tombontsoa hita amin’ny fampiasana raha tsy hiteny afatsy ny finday fotsiny, indrindra amin’ny lafiny fahasalamana. Miankina indrindra amin’izany dia mivondrona anatin’ilay rindra-kajy antsoina hoe « annuaire des médecins » ireo mpitsabo amin’ny hopitaly tsy miankina ka hita ao avokoa ny mpitsabo rehetra amin’ny faritany enina eto Madagasikara. Tsy misahirana intsony noho izany izay manana ny tsy salama fa mampiasa ny teknolojia ary mahazo fanampiana sy fitsaboana.

« Toy ny hoe répertoire izy ity raha finday tsotra. Hita ao daholo ny momba momba ny mpitsabo iray any amin’izay toerana tianao aleha. Hitav ao anatin’izany ny anarana, ny adiresy ny laharana finday. Application feno izy ity satria sady manampy no manamora ny fiainana. Tsy voatery misahirana mandeha etsy sy eroa fa vetivety dia mhaita ny toerana tokony aleha », hoy i Dokotery Hery Andrianandrasana Rakotovao izay filohan’ny fikamabanan’ny mpitsabo tsy miankina.

« Mbola tsy afaka alaina na aiza na aiza izy io fa mbola ao amin’ny pejy facebook izay misy ahy ihany aloha hatreto. Miisa 200 amin’izao fotoana ireo mpitsabo tafiditra ao ary ny tanjona dia ho tafiditra aoa antin’izany avokoa ny mpitsabo rehetra izay miisa eo ho eo amin’ny 800 olona eo », hoy i Tantely Rakotoarison, mpitsabo sady namolavola ny rindra-kajy.

Natao ho an’ny olona rehetra ity rindran-kajy ity izay mbola amin’ny alalan’ny finday « android » ihany aloha amin’izao fotoana no hahafahana manana azy. Tamin’ny taona 2021 no naparitaka voalohany ity rindra-kajy ity ary nasiam-panavaozana kosa izany tamin’ity 2023 ity indray. Ilaina ary mahavonjy ny fananana azy raha sendra amin’ny toerana mbola tsy mahazatra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire