Toetr’andro : Mety hisy rivo-doza hiforona ny faran’ny herinandro na ny fiantombohan’ny herinandro manaraka io
Dépêche 01 février, 12h, Manambara fiforonana rivo-doza ny foibe famantarana ny toetr’andro. Izany dia mety hiseho ny faran’ity herinandro ity na amin’io fiantombohan’ny herinandro vaovao io. Mila miomana sahady noho izany ny faritra tsirairay satria ny akon’ny Cheneso teo dia mbola tsy afaka tsara tamin’ny olona maro. Raha tsiahivina dia efa miisa 30 amin’izao ireo namoy ny ainy tamin’ny fandalovan’iny andro ratsy iny. Ankoatra izay dia maro ireo foto-drafitr’asa no simba ary maro ihany koa ireo traboina. Araka ny fanamby avy ao anivon’ny BNGRC moa izay milaza fa izay tsara fiomanana tsy ho tampohan’ny loza ka izany no tokony hahamailo dieny mialoha.
