Teti-bolam-panjakana: Navoaka mangarahara ho hitan’ny be sy maro.
Nivoaka mangarahara afaka jeren’ny olom-pirenena rehetra ny teti-bolam-panjakan ho an’ny taona 2023. Notsinjaraina mazava tsara ho an’ny andrim-panjakana sy ministera rehetra izany. Mitentina 14 536 469 384ar izany mandritra ny taona ary mitsinjara ho an’ny andrim-panjakana sy ministera miisa 36. Izany vola rehetra izany dia natao hampandrosoana ny Firenena sy ny olona eo aminy ka tokony harahi-maso ny fampiasana azy mba tsy hisian’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola.
