Fanatanjahantena : Lavo teo amin’ny lalao manasa-dalana ny Barea CHAN
Dépêche 01 février, 11h, Resin’ny Sénegal tamin’ny isa 1 noho 0 ny Barea CHAN. Hatreo noho izany ny lalan’izy ireo izay naniry ny hiatrika ny lalao famaranana. Mbola hiady ny laharana fahatelo kosa anefa izy ireo ny zoma ho avy izao. Olana teo amin’ny fanombohan’ny lalao no nahatonga ny faharesena hoy ny mpanazatra ka nampikoropaka ireto ekipa ireto. Manohana azy ireo hatrany anefa amin’ny lalao fiadiana ny laharana fahatelo ny zoma izao. Mbola vonona hatrany hiaro ny voninahi-pirenena ireto ekipa ireto.
