ConseilTsidika

Fitantanana tetik’asa: Teboka tsara ho fantatra ho an’ny fahombiazan’ny asa

Anisan’ny mila ezaka sy finiavana manokana ny fahatontosana na ny fahantanterahan’ny tetik’asa iray. Ny olona mpandraharaha na ireo efa matihanina amin’ny fitantanana tetik’asa dia mahatsapa izany avoka fa misy ireo teboka na dingana tokony arahana mba hampahomby ny asa izay atao anatin’ny tetikasa iray.

“Teboka voalohany tokony ho ampiharin’ny mpitantana tetikasa mba ho fahombiazan’ny asany dia ny fampahalalana sy ny fanehoan-kevitra, izany hoe mila fahasahiana amin’ny fandraisam-pitenenana. Manaraka izany ny fanomanana ny fitaovana iaraha-miasa, ny fifantohana amin’ny tanjona tratrarina ary mamaritra ireo dingana amin’ny fanatanterahana izany. Ny fametraha ny mpanjifa eo avofoany ihany koa dia zava-dehibe ary indrindra ny fitsinjaran’asa sy ny fametrahana  ny drafitra amin’ny fanatanterahana izany” hoy I Nasaina, tanora mpandraharaha.

“Ankoatra izay, zava-dehibe ihany , koa ny fijerena ny olana ary tsara manao fandinihana momba izany. Ankoatra izay ny fahaiza-mandamina sy fahaiza-mandrindra fivoriana dia tena zava-dehibe, manazava ny tetik’asa, ny manao tatitra mandritra ny fivoriana, mampahalala momba ny risika ary farany ny fandrefesana ny fandrosoan’ny tetik’asa” hoy hatrany ity mpandraharaha tanora ity.

Maro ireo mpanao tetik’asa, tanora indrindra indrindra no misedra olana eny anelanelam-potoana eny noho ny fahadisoana na fifanindin-javatra ka mahatonga azy ireo hanajanona na tsy tonga amin’ny tanjona iriana. Tsara araka izany raha manandrana mampiatra ireo toro-hevitra ireto, hahafahana mivelatra sy mahomby amin’ny tetik’asa izay sahanina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire