Seychelles : Ny nosy no hampiantrano ny CJSOI 2025
Mbola tsy manomboka akory ny CJSOI 2022 hotontosaina ao Maurice ny 4 hatramin’ny 11 desambra izao dia efa fantatra sahady fa i Seychelles indray no hampiantrano ny CJSOI 2025. Nandritra ny fandefasana ireo atleta handray anjara amin’ity andiany faha-12 ity no nataon’ny minisitry ny fanatanjahantena tao an-toerana Marie-Céline Zialor izany fanambarana izany.
Tsy voalohany i Seychelles no hikarakara io fifaninana ara-panatanjahatena aty amin’ny ranomasimbe indianina io. Efa niandraikitra izany izy ny taona 1999 sy 2008. Na dia mbola lavitra azy ny taona 2025 dia efa miomana amin’ny fandraisana io lalao io sahady i Seychelles. Efa nangataka alalana amin’ny fananganana foto-drafitr’asa samihafa izy ireo ary efa nankatoavina ny ankahamaroan’izany fangatahana izany.
