ActualitésTatitra

France : Miandry ny rariny ny amin’ny nahafaty an’ireo mpanao gazetin’ny RFI tany Mali ny namany

Nisy ny taratasy nalefan’ireo naman’i Ghislaine Dupont sy i Claude Verlon, mpanao gazetin’ny RFI nisy namono tany Mali, ho an’ny Minisitry ny tafika any France, Florence Parly mikasika ny nahafaty ireto namany ny taona 2013. Tsy nety, hoy izy ireo, ny nanesorana ny tafika Frantsay tany Mangreb izay tokony hifehy ny vondrona Al-Qaida satria manakana ny marina tsy hiseho. Ireto farany izay isan’ny namono ireto mpanao gazety roa ireto.

Nilaza mantsy ity Minisitra ity ny 11 jona 2021 lasa teo ny amin’ny fanesorana  ny tafika frantsay Baye Ag Bakabo any Mali ary mbola mila fotoana ela hoy izy ny fanafoanana ireo vondrona namono an’i Ghislaine Dupont sy i Claude Verlon nandritra ny vono olona tany Kidal ny 2 novambra 2013. Miandry ny fitsarana izahay, tsy ny famonoana ara-batana ny mpitarika an’ity vondrona Djihadiste ity akory izay isan’ny rangoro fototrin’ny afo akory no niandrasana fa ny fisamborana azy sy ny fiampangana azy ary ny fanenjehana azy avy eo nofotopotorona ny amin’ny tena zava-nisy marina fa tsy ny fanafoananan azy tsy ho velona intsony hoy hatrany ny voalazan’ilay taratasy nalefa ho an’ny Minisitra.

Ny famonoana io filohan’ny vondrona mpampihorohoro ny 5 jona lasa teo io mantsy dia niteraka fanafihana indray tao Aguelhok. Manantena ny hahafantatra ny tena marina miaksika ny nahafaty ny namany araka izany ireto naman’i Ghislaine Dupont sy i Claude Verlon ireto.

Laisser un commentaire