Manohy hatrany ny asa ratsin’ireo « foroches » any Antsiranana
Nanomboka ny taona 2018, ary mandrak’ankehitriny, no manjaka tanteraka ny herisetra ataon’ireo fikambanan’ny tanora maromaro na ireo « foroche ». Anisan’ireo niteraka laza ratsy teo amin’ny faritra Antsiranana ny fisian’ity andiana tanora manao asa ratsy ity. Tovolahy manodidina ny 10 hatramin’ny 17 taona no manatanteraka izany.
Ahiana ho antony goavana amin’izao asa ratsy izao ny fandraisan’ireo tanora zava-mahadomelina. Ny tsy fananan’asa sy ny tsy fahampian’ny fialamboly ho an’ireo tanora etsy andaniny no isan’ny antony mahatonga ity tranga tsy fahandriam-pahalemana any an-toerana ity. Nisy ny fivoriana nataon’ny teo amin’ny polisim-pirenena sy ireo mpiaro no zon’ny ankizy tany Antsiranana mikasika izany. Tanjona amin’izany indrindra ny handinihina ireo paik’ady hampitsaharana sy hamongorana hatrany hifotony ity asa ratsy ity.
« Efa tsy dia ahenoana herisetra ataon’ireo tanora intsony amin’izao fotoana satria efa manomboka tonga saina ireo izay nanao izany teo aloha, efa variana any amin’ny tokantrano misy azy ireo » hoy i Mario, mponina any an-toerana. « Efa nisy ny fisamborana goavana nataonay teo amin’ny zandarimarian’ny faritra Antsiranana. Voakasik’izany indrindra ny lehiben’izy ireo sy ireo mpikambana maromaro » hoy i Herilalaina, solotenan’ny zandarimaria any amin’ny faritra Antsiranana.
« Tsy azo ekena ho fanitsian-dalana ho an’ireo tanora ny fampidirana azy ireo am-ponja. Mamerin-keloka matetika izy ireo noho ny hamaivanan’ny sazy homena azy ireo » hoy i Marie Sylvia Tahiriniana, mpitsara. Anjara asa lehibe sahanin’ny fiaraha-monina ny mamolavola ireo tanora eo aminy ho lasa olom-banona noho izy izay ambara fa sehatra iray iankinan’ny fanabeazana. Mifameno tanteraka ny fampianarana atao any an-tsekoly, ny fananarana ataon’ireo ray aman-dreny sy ny zavatra iainana eo amin’ny fiaraha-monina. Inoana marimarina fa tsy misy ray aman-dreny hitaiza ny zanany amin’ny lalan_diso izany, koa iza indray no omena tsiny raha manao ny tsy mety ny zaza iray ?
Haingo Andriamihaja
