ActualitésTsidika

Alasora: Mpangalatra fitaovana tamin’ny orinasa voasambotry ny polisy

Olona miisa folo, no voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP Alasora, ny alatsinainy teo. Araka ny voalaza, dia nangalatra ireo fitaovana tao amin’ny fitoeran’entan’ny orinasa iray ao Behintsy ireto farany.

“Naharay vaovao ny Polisy fa misy olona mamoaka antsokosoko ireo fitaovana ireo ka nametraka velam-pandrika hisakanana ny fiara fitateran’izy ireo ny entana halatra. Voasakana ary nosavaina ilay fiara ka fitaovana fampiasa amin’ny orinasa afakaba miisa 12 no tra-tehaka sy ireo olona miisa 10 izay voalaza fa mpividy ireo entana ireo” hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

“Maro ny olona tia kely mpanao izao halatra izao. Anisan’ny fanetribe an’ny orinasa izy ireny ary tena miteraka fatiantoka. Tokony ampiharina aminy ny sazy sy ny lalàna mba tsy hiverenan’ny tahala izao intsony” hoy I Nivo, mponina ao Alasora.

Miseho amin’ny endriny maro ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra fa ny halatra. Anisan’ny mahavoasazy ny mividy entana halatra ka tokony mailo ny rehetra. Ireto olona tratra  nangalatra ireto moa dia nentina teny amin’ny kaomisarian’ny polisy avy hatrany ary nogiazana ny fiara mpitondra ny entana halain’izy ireo.

Laisser un commentaire