Vakoka : Famerenana ny karandohan’ny ampanjaka sakalava Toera eto madagasikara
Ny faha 20 septambra teo dia nandray ny ambasadaoron’i France Christophe Bouchard ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy. Ny famerenana ny karandohan’ny ampanjaka Toera izay ampanjaka sakalava no anton’izany fihaonana izany.
Raha tsiahivina dia ny filoha Andry Rajoelina no nanambara fa misy ny ezaka atao mba hamerenana io fananana malagasy io eto madagasikara ary efa miroso amin’izany ny fitondram-panjakana. Tamin’ny volana novambra 2020 nandritra ny fitokanana ny rovan’i manjakamiadana izay nasiam-panavaozana no nanaovany izany fanambarana izany.
Nanambara ny tao amin’ny ministera tompon’andraikitra fa adidin’izy ireo no mamerina ny vakoka malagasy toy itony eto madagasikara.
« Ohatra iray amin’ny fisian’ny fitohizan’ny fitondrana ity fitohizan’ny ezaka famerenana ny vakoka ity satria efa tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina no nanomboka izany ezaka izany » hoy i Joro, mpanaraka ity tantara ity.
Ny famerenana ny vakoka toy itony dia mamporisika ny maro ho liana amin’ny tantaram-pirenena ka misy vokany amin’ny fitiavan-tanindrazana. Tokony ampiana ny mpahay tantara malagasy hamoaka asa soratra na haneho ny tantara malagasy amin’ny fomba maro samihafa.
Aurélien Tsitarihina
