Basket 3*3: Efa any Egypte ireo Ankoay hisolo tena an’ny Madagasikara
Dépêche 02 décembre, 15h, Ny 3 sy 4 desambra izao no hatao any Le Caire Egypte ny lalao Basket hifanandrinan’ny olona telo na ny Africa Cup 2022 open 3×3. Manana solontena ny Malagasy na ny sokajy vehivavy izany na ny sokajy lehilahy. Ao anatin’ny vondrona A no misy ny Ankoay vehivavy izay miaraka amin’ny Egypte, Tunisie ary Rwanda. Raha ny fantatra moa dia efa any an-toerana ireo ekipam-pirenena amin’izao fotoana izao manao ny fanazaran-tena. Mila tohana avy amin’ny Mlagasy rehetra izy ireo tsy hitsanga-menatra manolona ireo firenena hafa.
